Lesona 6 Q2 2026 MPITOLONA AM BAVAKA - DR JEAN JACQUES A.
HOPEFY
0:00 / 0:00
Lesona 6 Q2 2026 MPITOLONA AM BAVAKA - DR JEAN JACQUES A.
86 просмотров · 5 месяцев назад
HOPEFY
3,85 тыс. подписчиков
86 просмотров · 5 месяцев назад
MPITOLONA AM-BAVAKA
Vakiteny ho an’ity Herinandro ity:
Dan. 2:20–23; Dan. 6:10, 11; Asan’ny Apostoly 20:36; Gen. 5:22–24; Eks. 33:15–23; Eks. 32:31, 32.
Tsianjery:
"Izaho tia an'i Jehovah, satria efa nandre Ny feon'ny fifonako Izy. Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy, Dia hiantso aho, raha mbola velona koa." (Salamo 116:1, 2).
Alaivo sary an-tsaina ange raha toa ianao ka zara raha miresaka amin’ny namanao akaiky indrindra na amin’ny vadinao e. Tsy ho ela dia hikorosy fahana izany fifandraisana izany, ary hisy olana hitranga. Tahaka izany koa, ny vavaka dia ampahany tena ilaina amin’ny fananana fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra. Fahazarana ara-panahy lehibe izy io, izay ilaintsika tsirairay ary azontsika ampitomboina. Raha tsy mivavaka matetika sy lalandava isika, dia hirona hiala amin’ny Tompo na ho ela na ho haingana.
Ao amin’ny Baiboly, isika dia mianatra momba ny fiainan’ny olona samy hafa izay nivavaka tamin’ny fomba maro samihafa. Afaka mijery ny lasa isika ary mahita topy maso ny fomba nandraisan’ny firaisany amin’Andriamanitra anjara tamin’ny fifandraisany taminy, ny fomba sy ny zavatra azontsika ivavahana koa, ary ny fomba nanovan’ny vavaka nataon’izy ireo ny fiainan’ny hafa. Marina tokoa izany: ny fiainam-pivavahantsika dia tsy misy fiantraikany amintsika ihany fa amin’ny hafa koa.
Tahaka ny fandalinana ny Baiboly, ity lohahevitra momba ny vavaka ity dia sady midadasika no manan-danja, ary malalaka lavitra noho izay azo resahina ao anatin’ny tapa-bolana monja. Amin’ity herinandro ity, isika dia hianatra lesona avy amin’ny sasany amin’ireo olona ao amin’ny Baiboly izay nivavaka, ka nampiseho tamintsika ny maha fototry ny vavaka amin’ny fananana fifandraisana mafy orina amin’Andriamanitra. Andao isika hianatra avy amin’ny ohatra nasehon’izy ireo.