FFPM 39 – Faingàna, ry Mpanjaka
Loterana-Malagasy ZFLM
0:00 / 0:00
FFPM 39 – Faingàna, ry Mpanjaka
22 538 просмотров · 4 года назад
Loterana-Malagasy ZFLM
4,12 тыс. подписчиков
22 538 просмотров · 4 года назад
"Faingàna, ry Mpanjaka!" - Hira FFPM 39
Mazotoa mamerimberina sy mianatra ireto hira FFPM ireto any an-trano. Dia mba samy mahay be toa azy ireo daholo isika manerana ny isam-piangonana any rehefa mihira amin'ny fotoam-pivavahana
FFPM 39 – Faingàna, ry Mpanjaka!
1. Faingàna ry Mpanjaka
Handray ny lovanao,
Faingàna re mba haka
Ny tany ho Anao !
Avia hampifaly
Ny malahelo fo,
Afaho ny mijaly
Sy azon’ny manjo !
2. Avia fa misento
Aty ny olonao !
Ny fanjakana ento
Fa Tompo Hianao !
Tsy hisy hitomany
Eo anatrehanao,
Hiadana ny tany
Izay alehanao !
3. Ny tendrombohitra avo,
Ny lohasaha koa
Ho tonga ravoravo
Sy tretrika avokoa !
Ny be tsy haka an-kery,
Ny kely afa-po ;
Tsy hisy izay ho very,
Tsy hisy izay hanjo !
4. Mpanjaka sy Mpiaro
Mahery Hianao ;
Ny firenena maro
Hitoky Aminao.
Ho avy lalandava
Izao rehetra izao,
Hitondra harem-bevava
Ho eo an-tongotrao.
5. Faingàna ry Mpamonjy,
Ry Tompo be fitia,
Ny olonao tra-bonjy
Miantso hoe : Avia !
Anao ny fiderana,
Anao ny laza be,
Anao ny fanjakana
Sy arahaba e !
Source: video Fandaharana Teny Soa Mahafaly viva madagascar