Перейти к содержимому

Tantara Malagasy - LANGO MALEFAKA na IZA NO DISO (Tantaran'ny Radio RDB) Tantara Indray Mihaino

SARY MIHETSIKA / Web TV

0:00 / 0:00

Tantara Malagasy - LANGO MALEFAKA na IZA NO DISO (Tantaran'ny Radio RDB) Tantara Indray Mihaino

5 544 просмотра · 2 года назад
SARY MIHETSIKA / Web TV
35,8 тыс. подписчиков
5 544 просмотра · 2 года назад
LANGO MALEFAKA NA IZA NO DISO Tantaran'i Radio Don Bosco Sokajy tantara lava Voahiraka hiasa hanao asa fitsaboina tao amin'ny Fokontany Tsarahonenana i Docteur Benja. Noro sy Suzie no tovovavy nifanerasera voalohany tamin'i Docteur Benja, ary tsikaritr'ity farany fa na saro-kenatra aza i Suzie dia mahasarika azy ihany. Sendra be olona tsaboina i Docteur Benja indray andro, tsy nanam-potoana hikarakarana sakafo izy ka tafaresaka tamin'i Suzie, nanomboka teo izy roa dia lasa nifankahazo sy nifanampy ; Docteur Benja nitsabo ny renin'i Suzie, ary ny fianakavian'i Suzie mikarakara sakafo araka izay vita ho an'i Docteur. Tafahoana tany amoron-drano i Noro sy ny reniny ary Docteur, indray maraina, nangatsiaka loatra i Noro ka nandeha nisotro dite niaraka tamin'i Docteur ; hitan'i Suzie anefa izany ka nahavelom-panahina azy. Nampitovy lokon'akanjo i Noro sy Docteur Benja rehefa nandeha nivavaka, teny mandoka misary heso no nataon'i Suzie tena an-dalana, tsikaritra hoe saropiaro. Tonga nangataka an'i Noro ho vady i Docteur Benja ary nanaiky izany fangatahana izany ny ray aman-drenin'i Noro. Fitaka anefa ny fisehoana rehetra nataon'i Docteur nandritra ny fombam-panambadiana, ary olona nokaramaina ireo lazainy fa ray aman-dreny sy fianakaviana nanatrika ny vodiondry. Tantara nosoratan'i France Andréa Ralambomanana na Fitaratra Ireo namelona ny tantara : Rakoto, Faly ,Synèse, Hanjariliva, Ony Mihajanirina, Niravo Nandray feo sy nanatontosa : Tovo Razanamamonjy #sarymihetsika #tantara #langomalefaka