𝐌𝐈𝐓𝐎𝐌𝐁𝐎 𝐍𝐘 𝐕𝐄𝐋𝐀𝐑𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐙𝐎 𝐕𝐎𝐋𝐄𝐍𝐀 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐈 𝐅𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐌𝐄𝐍𝐀𝐁𝐄.
MiASA Officiel
0:00 / 0:00
𝐌𝐈𝐓𝐎𝐌𝐁𝐎 𝐍𝐘 𝐕𝐄𝐋𝐀𝐑𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐙𝐎 𝐕𝐎𝐋𝐄𝐍𝐀 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐈 𝐅𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐌𝐄𝐍𝐀𝐁𝐄.
37 просмотров · 9 дн. назад
MiASA Officiel
939 подписчиков
37 просмотров · 9 дн. назад
Anisan’ny asa imasoan'ny Fitondrana Fanavaozana amin'ny alalan'ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo (MiASA) ny fanarenana ireo fotodrafitrasa fanondrahana mba hahafahana mampitombo ny velaran-tany volena. Maro ireo asa atao amin'ny alalan'ny tetikasa Ad2M II ao amin'ny faritra Menabe.
Ho an'ny lemaka Vondrove, tany mirefy 1 800 ha no ho voatondraka rehefa vita ny fanarenana ny tohodrano, efa 92% asa ankehitriny no vita. Nandritra ny taom-pambolena 2024–2025, dia efa 351 ha ny velaran-tany novolena.
Ao Ambararata, 230 ha izao ny velaran-tany voatondraka, raha 54 ha izany teo aloha. Lavadrano telo misy paompy mandeha amin’ny herin’ny masoandro ihany koa no napetraka fanampiny hanampy amin'ny fisitrahana rano.
Notohanana niaraka tamin'izany ny tantsaha amin’ny fanatsarana ny fahaiza-manaony, ny fitantanana ny rano ary ny fiarovana ny tanimboly.
Nandritra ny iraka fanaraha-maso nataon’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena ho an’ny Fampandrosoana ny Fambolena (FIDA) no nahitana fa mahomby ny asa natao, tena misy fiantraikany amin'ny tantsaha ireo asa natao.
" 𝐅𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐫𝐨𝐛𝐨𝐫𝐨𝐛𝐨, 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐨𝐯𝐚𝐧𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐤𝐚𝐟𝐨."
#AD2M
#MiASA
#Fahaleovantena_ara_tsakafo
#FIDA
#DRASA_Menabe