Перейти к содержимому

FFPM 486 – Inona no hahasaraka ahy

Loterana-Malagasy ZFLM

0:00 / 0:00

FFPM 486 – Inona no hahasaraka ahy

9 610 просмотров · 4 года назад
Loterana-Malagasy ZFLM
4,08 тыс. подписчиков
9 610 просмотров · 4 года назад
"Inona no hahasaraka ahy" - Hira FFPM 486 Mazotoa mamerimberina sy mianatra ireto hira FFPM ireto any an-trano. Dia mba samy mahay be toa azy ireo daholo isika manerana ny isam-piangonana any rehefa mihira amin'ny fotoam-pivavahana 🙂 FFPM 486 – Inona no hahasaraka ahy 1. Inona no hahasaraka ahy Amin’ ny fitiavanao, Jeso? Fahoriana ve, sa ahiahy? Fahantrana, sa famoizampo ? Fiv : Tsia, ry Jeso Tompo be fitia, Izaho tsy mivadika Aminao Fa mandrakizay doria doria Izaho dia hanaraka Anao. 2. Inona no hahasaraka ahy Amin’ ny fitiavanao, Jeso ? Zo sy laza sy fakampanahy? Sa harena, zava-mora lo? Tsia, ry Jeso, sns… 3. Inona no hahasaraka ahy Amin’ ny fitiavanao, Jeso? Sabatra, sa fanenjeha-mafy? Sa mosary, ady be manjo? Tsia, ry Jeso, sns… 4. Inona no hahasaraka ahy Amin’ ny fitiavanao, Jeso? Faty ve no hampivadika ahy, Loza, hery, fahefana koa? Tsia, ry Jeso, sns… 5. Eny, izao rehetra izao, ry Tompo, Tsy mba hahasaraka Aminao! Na inona hanjo ity mpanompo, Dia hijoro, tsy handao Anao! Velona aho, Tompo, eny maty, Dia tsy mivadika Aminao! Hianao no velona ao anaty, Ka doria, ny foko ho Anao! Source: video Fandaharana Teny Soa Mahafaly viva madagascar