Перейти к содержимому

Lesona 1 Q4 2026 MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA DR BENOIT RAKOTOVAO

HOPEFY

0:00 / 0:00

Lesona 1 Q4 2026 MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA DR BENOIT RAKOTOVAO

69 просмотров · 8 дней назад
HOPEFY
3,85 тыс. подписчиков
69 просмотров · 8 дней назад
LESONA 1 : MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA Hodinihina mandritra ny herinandro: Gen. 1:27,28; Gen. 3:1-8; Lio. 15:11-32; Gen. 3:14-24; Eks. 19:16-22; Jao. 10:27-30 Tsianjery : « Rehefa nampitenenin’Andriamanitra tamin’ny razana fahiny ny mpaminany tamin’ny andro samy hafa sy ny fanao samy hafa; dia amin’izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao. » – Heb. 1:1,2 FAMPIDIRANA Afaka mifankahita amin’ireo namana sy havana any an-tany lavitra isika noho ny fisian’ny fitaovana ara-teknolojia. Mahafinaritra izany, nefa tsara kokoa noho izany ny mihaona mivantana! Fihetsehampo manokana mihitsy no tsapa rehefa mihaona isika, mifamihina ary miresaka mifanatrika. Hampahatsiahivina antsika amin’ity herinandro ity fa noforonina hanana fifandraisana mivantana amin’ilay Mpamorona azy ny olombelona. Nandrava io fifandraisana akaiky io anefa ny fahotana, hatry ny ela. Namorona fomba hahafahana miteny amintsika Andriamanitra mba hamerenana indray izany fifandraisana izany amin’ireo voariny tiany. Ny fomba maro mpahalala indrindra ifandraisan’Andriamanitra amin’ny olombelona dia amin’ny alalan’ireo mpitondra teniny izay nofidiny tamim-pitandremana, antsoina hoe mpaminany, izay mitondra ny hafany amintsika. Matetika ireny mpaminany ireny no manana asa soratra ao amin’ny Baiboly, nefa tsy voatery ho izany mandrakariva. Ny drafitr’Andriamanitra lehibe indrindra dia ny hamerina indray ny endriny ao amintsika, ilay endrika izay nosimban’ny fahotana. Izao no antony isian’ny drafi-pamonjena: famerenana amin’ny laoniny, izay ho tanteraka rehefa hanao “lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana" Andriamanitra (2 Pet. 3:13). Mandra-pahatonga izany, dia mbola miteny amintsika Andriamanitra, ary mbola mampiasa ny mpaminaniny ho amin'izany.