Перейти к содержимому

🚨 Fitsoahan’ireo voafonja sinoa 11 "Nanome fanazavana ny Direction de l’Inspection Pénitentiaire"

Gasy Tsara

0:00 / 0:00

🚨 Fitsoahan’ireo voafonja sinoa 11 "Nanome fanazavana ny Direction de l’Inspection Pénitentiaire"

616 просмотров · 1 день назад
Gasy Tsara
1,99 тыс. подписчиков
616 просмотров · 1 день назад
🔴 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗭𝗔𝗩𝗔𝗡𝗔 𝗠𝗢𝗠𝗕𝗔 𝗡𝗬 𝗩𝗔𝗟𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗗𝗜𝗛𝗔𝗗𝗜𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗡𝗔𝗧𝗜𝗡𝗬 𝗡𝗔𝗧𝗔𝗢𝗡’𝗡𝗬 𝗧𝗢𝗠𝗣𝗢𝗡’𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗜𝗞𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗜𝗭𝗔𝗬 𝗡𝗔𝗡𝗔𝗢 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗧𝗦𝗜𝗥𝗜𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗘𝗢 𝗔𝗡𝗜𝗩𝗢𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗛𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗢𝗡𝗝𝗔 𝗠𝗢𝗠𝗕𝗔 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗩𝗢𝗔𝗙𝗢𝗡𝗝𝗔 𝗦𝗜𝗡𝗢𝗔 𝟭𝟭 𝗡𝗔𝗩𝗢𝗔𝗞𝗔 𝗔𝗡-𝗧𝗦𝗢𝗞𝗢𝗦𝗢𝗞𝗢 ➡️ Nanome fanazavana feno momba ny zava-misy marina mahakasika ny fitsoahan’ireo voafonja sinoa 11 ny tale miandraikitra ny fitsirihina ny fonja eto anivon’ny ministeran’ny fitsarana (Direction de l’Inspection Pénitentiaire), tao aorinan’ny fanadihadiana ara-taratasy izay nataon’izy ireo. ❗Tsikaritra nandritra ny fanadihadiana ara-pitantanana (enquête administrative), fa nisy tsy fahatomombanana teo amin’ny famoahana ireo gadra ireo, na izany teo amin’ny ara-taratasy , na teo amin’ny rindran-damina mifehy ny famoahana voafonja eo anivon’ny fandraharahana ny fonja. 🔹 Hita tamin’izany koa fa tsy olon-tokana araka ny noheritreretina no nahavita io raharaha io, ary efa fantatra daholo ny anaran’ny tompon’antoka rehetra amin’io raharaha io eo anivon’ny fandraharahana ny fonja, sy ny andraikitra nosahanin’ny tsirairay avy nandritra ny fotoana nisehoan’ny raharaha. 🫵 Manasa anao hanaraka manontolo ny fanazavana izay nataon’ny Directeur de l’Inspection Pénitentiaire, Jérémie NAPOU, manazava ny tatitra izany fitsirahana an-tsipirihany natao izany. Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM Primature - Lapan'i Mahazoarivo Fanirisoa Ernaivo TVM #MinJus #Direction #inspection #pénitentiaire #11chinois Source: Ministeran'ny Fitsarana Malagasy