Перейти к содержимому

LESONA SS FAHA 6 Q3 2026 NY FANOMEZAM PAHASOAVANA

HOPEFY

0:00 / 0:00

LESONA SS FAHA 6 Q3 2026 NY FANOMEZAM PAHASOAVANA

90 просмотров · 1 месяц назад
HOPEFY
3,82 тыс. подписчиков
90 просмотров · 1 месяц назад
NY FANOMEZAM-PAHASOAVANA Hodinihina mandritra ny herinandro: 1 Kor. 12; Efes. 4:11-13; 1 Kor. 13; 1 Pet. 4:8-11; 1 Kor. 14:27; Amo. 3:7. Tsianjery "Miezaha mitady ny fitiavana, nefa maniria fatratra ny zava-panahy koa, indrindra fa ny haminany."- 1 Kor. 14:1 "Tahaka ny tenan'olombelona dia iray ihany ny fiangonana saingy manana rantsam-batana maro izay samy manana ny anjara asany sy ny andraikiny ary ny fanomezam-pahasoavana ananany avy. Rehefa ampiasaina amim-pitiavana ireo fanomezam-pahasoavana ireo, dia mampiroborobo ny firaisana, izay maneho taratra ny toetran'llay Andriamanitra telo izay iray. Amin'ity herinandro ity isika dia hijery momba ny 1 Kor. 12-14 sy ny fampianarany mikasika ny fanomezam-pahasoavana. Ity ampahany ity dia ao anatin'ny fizarana iray somary lehibe kokoa, izay iresahan'i Paoly momba ny fitondrantena tokony hananan'ny Kristianina ao anatin'ny tontolon-kevitry ny fanompoam-pivavahana (1 Kor. 11-14). Mifandraika amin'ny olana momba ny fivoriana tsy misy filaminana ny zava-manahiran-tsaina indrindra an'i Paoly. Izao no valinteniny manoloana izany olana izany: tena iray ihany ny fiangonana ka ny rantsam-batana tsirairay dia samy manana ny asany mba ho "fampandrosoana ny tenan'i Kristy"- Efes. 4:12. Raha fintinina, dia nomen'Andriamanitra fanomezam-pahasoavana ny fiangonana mba hampiroboroboana ny firaisana ao anatin'ny fahasamihafana. Mazava loatra fa mbola ao an-tsain'i Paoly hatrany ilay olana momba ny fisaratsarahana izay noresahiny tao amin'ny toko efatra voalohany amin'ny 1 Korintianina, izay nilazany fa ny firaisana ao amin'i Kristy no vahaolana ho an'ny tsy fifanarahan-tsaina eo amin'ireo mambran'ny fiangonana. Hazavainy bebe kokoa izao izany lohahevitra izany, amin'ny alalan'ny fanehoany ny fahatakarany ny anjara asan'ny fanomezam-pahasoavana. Heverin'i Paoly fa ny firaisana ao amin'i Kristy sy ao amin'ny Fanahy no hany fomba hisorohana ny fisaratsarahana.