Перейти к содержимому

Hiverina an-tsehatra ny Tempo Gaigy 08/03/15

Orange actu Madagascar

0:00 / 0:00

Hiverina an-tsehatra ny Tempo Gaigy 08/03/15

3 290 просмотров · 10 лет назад
Orange actu Madagascar
892 подписчика
3 290 просмотров · 10 лет назад
Andro vitsivitsy izay, dia re eny amin’ny onjam-peo indray ny hiran’ny tarika Tempo Gaigy. Hira vaovao, saingy fantatra avy hatrany hoe “ry zalahy” izany. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazana ny faha-15 taona ny tarika ankehitriny ary hisy ny hetsika hanamarihana izany. Ny alahady 22 martsa ho avy izao aza, dia hiverina hiaka-tsehatra ao Antsahamanitra ny Tempo Gaigy, hiaraka amin’ny Tif a Tif, izay mankalaza ihany koa ny faha-15 taonany. Raha toa ka efatra ny isan’ny mpikambana nahafantarana an’ny Tempo Gaigy, dia roa kosa izy ireo no hita eny amin’ny raki-tsary, sy hiaka-tsehatra ao Antsahamanitra. Nisaraka ary ve ny tarika? Tsia, hoy i Faniry sy Popol. Misy ny tsy fahafahana ho an’ireo mpikambana hafa, fa ny tarika kosa dia iray hatrany. Mbola mitombina ihany koa ve ny lamaody “boys band” amin’izao taona 2015 izao? Mamaly ihany koa ny tarika.