Перейти к содержимому

Mbola atoandro, tsy maintsy manefa iraka - 19 septambra 2026

Kristy fiainantsika

0:00 / 0:00

Mbola atoandro, tsy maintsy manefa iraka - 19 septambra 2026

5 просмотров · 1 день назад
Kristy fiainantsika
66 подписчиков
5 просмотров · 1 день назад
📖 Kristy fiainantsika isan'andro : Jaona 9:4a (MG1865) ---------------------------------------- "Isika tsy maintsy manao ny asan'izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; ..." 👉 Hamaky ny Baiboly / Lire sur internet : https://www.bible.com/bible/96/JHN.9.4.MG1865 📝 KRISTY FIAINANTSIKA ISAN'ANDRO : "Mbola atoandro, tsy maintsy manefa iraka" ---------------------------------------- Matoritory foana ilay olona mandritra ny andro, sakaizam-pandriana, matory ara-dalàna koa ny alina. Misy tsy ara-dalàna ao, mety marary mihitsy aza. Misy kristiana maro resin-tory tena renoka, heveriny fa alina foana kanefa efa miposaka ny andro. Tsy matory ara-nofo fa ara-panahy. Raha ny amin'ny raharaha maloton'izao tontolo izao dia mazoto, mandany vola, mandany fotoana fa raha ny raharaha maha maika an' Andriamanitra , dia ny fitoriana ny filazantsara dia tsy ao an'eritreriny mihitsy. Inona no idirako amin'izany? hoy izy. Renoky ny torimasom-pahotana izany olona izany. Izay nandray ny famonjena dia tsy maintsy manao ny asan'izay naniraka azy. Aiza ho aiza ary ianao ê? Mbola matory sa efa mifoha? Efa mazava ny andro Vavaka : Ny tsy maintsinao anie anie ho tsimaintsinay koa satria efa ao amin'ny mazava izahay. Amen! 🎙️ Mpanoratra / Méditation par : Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady ---------------------------------------- 🌍 Araho amin'ireto rohy ireto izahay / Suivez-nous sur : 🔗 Site Web : https://kristyfiainantsika.com 🔵 Facebook : https://www.facebook.com/fiainantsikakristy 🎧 Spotify : https://open.spotify.com/show/033oAmzqAKV6... Misaotra indrindra nitsidika ! ----------------------------------------