Перейти к содержимому

KEMYRAH - MPANDALO feat. VALE MANDA

KEMYRAH

0:00 / 0:00

KEMYRAH - MPANDALO feat. VALE MANDA

7 415 просмотров · 5 л. назад
KEMYRAH
8,93 тыс. подписчиков
7 415 просмотров · 5 л. назад
//𝙈𝙊𝙊𝘿 𝙊𝙐𝙏 𝙉𝙊𝙒// Abonnez-vous pour télécharger l'album Laden Sie mein neues Album auf : https://cutt.ly/xgBap1P Télécharger mon nouvel album sur : https://cutt.ly/xgBap1P Download my new album on : https://cutt.ly/xgBap1P ——————————————————————————————— Studio : Flawless Records Germany Bil Studio Madagascar Studio Studio Madagascar Prod. Raspo Beats Mix & Mastering : Tahiana Andrianiaina x Lova Bil Rakotomalala x Faly Featuring : Vale Manda (Allemagne) ——————————————————————————————— Lyrics Kemyrah Fiatsaram-belatsihy sa fiheverana tsy tonga fotoana Fa toa rehefa mikipy ny mason'ny sakaiza sy ny havanao Feno alahelo sy maloka be ny tavanao Ilay vatany mangatsikany iny tsy ho tia Ilay hafananao izay notadiaviny notadiaviny hatramin'izay Hitanao fa ny tànany iny hitsotra ho mandrakizay Izay vao nomenao ilay fitia iray Nampifilafilainao fitiavana izy Ianao anefa mahalala fa ny fasana tsy hamela Sa ve maty izay vao hoe mba Ramalala Nefa ny fahotany aza toa tsy mba navelanao Tsy mety ve raha avadika firaisan-kina ny disadisa Mba tsy hisian'ny nenina ho an'ireo maro an'isa Dia tsy hiandry an'ilay fandehanana any ankoatra Fa zaraina dieny mbola eto an-tany lesy ilay "Peace & Love" Fifamelana, izay ihany lesy no hitako fanalahidy Dieny mbola velon'aina lesy dia andao vitaina ny adidy Zarao fitiavana na dia fahavalo Tadidio fa tsika lesy mpandalo 'Zay ! kopy elah fa mpandalo lesy Refrain (Kemyrah & Valé Manda) Ny fiainana tsy haharitra ei e Toy izany koa ny vola sy ny harena Mandiha-tany ianao tsy maintsy ho lena Fa ny hatsarana ataonao ihany no hahatsiarovana anao Dieny izao dia tiavo ny Ray Aman-dReny Aza menatra milaza hoe tiako ianao Fiainana anie feno mistery Tadidio fa mpandalo ihany hoa tsika sy ianao ouh ouh ouh ouh ouh ouh ouh ouh ouh ouh ouh ouh ouh ouh Fa ny hatsarana ataonao ihany no hahatsiarovana anao (mpandalo ! yeah ! Aleo ihany mifanome tanana,mifanome peace okay ! Valé Manda, Kemyrah) Valé Manda Mihantona foana ny fanontaniana satria hoe baraingo Amin'ity fiainana feno ankasoparana ka nodinganina foana toa faingo Hey ! andao asiana vali-teny tsotra sady mihaingo Satria, izao rehetra rehetra izao fandalovana raha mbola lanitra no lolohavina Mandiha-tany isika ry namana ka nateraka mba haka fafiny Ao anatiny fotoana voafetra Ka tsy aleo ve tsy miandry farany vao hifampizara ilay fitiavana lazaina foana hoe tsy misy fetra Fa zava-poana izao sy ianao raha sanatria hoe maty vao Ramalala Ka andao amin'izay hialana ilay fitiavan-tena sy ambo-po diso toerana Amin'ity fiainana hiara-mahita fa tsy misy fifandeferana Lavitra ny fitiavana marina Ka andao ho harenina mba hiarina Dia hiara-hibanjina mba ho lavorary izay rehetra kasaina Ho tonga amin'ny tanjona iriana amin'izay rehetra rehetra ilaina Hiaina an-kalalahana amin'ny fiaraha-monina Ho lavitry ny taraina Dia hioty foana ny harena am-pahendrena satria mamy ny miaina Izao sy ianao ihany no hifampizara amin'ny eo akaiky amin’'izay rehetra takatry ny saina Hifanome tanana, hifanome peace Ho mafy ny fototra raha izany foana no hiorenana Yeah ! Peace Refrain (Kemyrah & Valé Manda) Ny fiainana tsy haharitra ei e toy izany koa ny vola sy ny harena mandiha-tany ianao tsy maintsy ho lena Fa ny hatsarana ataonao ihany no hahatsiarovana anao Dieny izao dia tiavo ny Ray Aman-dReny Aza menatra milaza hoe tiako ianao Fiainana anie feno mistery Tadidio fa mpandalo ihany hoe tsika sy ianao ouh ouh ouh ouh ouh ouh ouh ouh ouh ouh ouh ouh ouh ouh Fa ny hatsarana ataonao ihany no hahatsiarovana anao (mpandalo ! yeah ! Aleo ihany mifanome tanana,mifanome peace okay ! Valé Manda, Kemyrah) Outro (Kemyrah) Tsisy hitoetra eto mandrakizay mpandalo sy mpivahiny isika Mametraka tantara dia izay Tsy maintsy handeha hamonjy ny Paradisa Mbola ho avy ny fotoana hialako eto an-tany Betsaka ireo havana mety hitomany Amin'izay fotoana izay vao ho tsapan'ireo fa ny fisian’ialahy anie ka mamy Yeah ! Kemyrah ty, Vale Manda Hafatra be anaty ny RAP Zarao ny fitiavana fa aza avela miandry anazy ho faty