Tompo ô mangovitra ny vava / Tsy mendrika izahay
VAVAKA HIRA KATOLIKA
0:00 / 0:00
Tompo ô mangovitra ny vava / Tsy mendrika izahay
245 371 просмотр · 4 года назад
VAVAKA HIRA KATOLIKA
9,73 тыс. подписчиков
245 371 просмотр · 4 года назад
👉🎁 • NY TOLOTRAO NO TENA FITIA Tonony / FeoPère...
1- Tompo ô, mangovitra ny vava, ary koa vahotra ny lela,
Tojo ity 'lay andro iray nokasainay hatry ny ela.
Tsy izahay no hendry indrindra, na koa mba mahay!
Ka te hilaza hoe tsy mendrika izahay ( x 2)
Tompo ô! Tafahoatra ny fitiavanao anay!
Kristy ô! tsy toy izany no nitiavanay anao
Tompo ô! mamindra fo aminay, fa zandrinao izahay.
2- Kristy ô! niaritra mangidy ianao nitia anay tety.
Izahay tsy mba nahay nanaja ilay fitia;
Fanantenanay ianao ka tsy mba miahiahy!
Ka te hilaza hoe tsy mendrika izahay ( x 2)
Tompo ô! Tena fitiavana, mafy orina tokoa ny Anao
Tsy mihontsina mihitsy n'inon'inona atao.
Izahay 'zay fo vato no indro tonga indray!
Ka te hilaza hoe tsy mendrika izahay ( x 2)