Перейти к содержимому

MISANDRATA. Antoko Mpihira FEON'NY FITIAVANA avy ao amin'ny FJKM AMBATOMALAZA FITIAVANA

Harilaza Andrianarisata Rasoloarijao

0:00 / 0:00

MISANDRATA. Antoko Mpihira FEON'NY FITIAVANA avy ao amin'ny FJKM AMBATOMALAZA FITIAVANA

370 просмотров · 11 месяцев назад
Harilaza Andrianarisata Rasoloarijao
6 подписчиков
370 просмотров · 11 месяцев назад
Ry havana, malala, Ny anton’ny fitoriana ny Filazantsara rehetra dia hanandratana ny voninahitr’Andriamanitra. Hanitarana ny FanjakaNY ety an-tàny. Izany no isian’ny antokom-pihira ao anaty Fiangonana. Anisan’ny anakiray amin’ireny ny Feon’ny Fitiavana avy aty amin’ny FJKM AMBATOMALAZA FITIAVANA. Ity hira Misandrata ity dia noforonina indrindra ho fiantsoana, fankalazana sy FANANDRATANA ny Momba an’Andriamanitra rehetra. Filan’ny Fo eo anatrehan’ny fiainanana izay toa mikorotandrotana nefa tena mitady fitoniana. Ity rakinkira ity dia hivoaka ofisialy ary azonao jifaina aty amin’ny FJKM AMBATOMALAZA indrindra amin’ny Fihaonamben’ny TARANAKA amin’ny Alahady 26 oktobra 2025 izao any an-taninjanaka. Fotoana lehibe io fa tafiditra amin’ny faha 30 taona nijoroan’izany STK rantsana Feon’ny Fitiavana ihany koa. Raha mahaliana anao ny hanana izany rakintsary feno izany dia afaka miantso an’i Mr Jacquinot mpamorona sady mpampianatra hira ianao amin’ny laharana 033 20 049 61 na ny Mpitandrina amin’ny whattsapp +261331420737 raha te hahafantatra ny mombamomba izany. Manantena anao ho tonga any an-tanindrazana nefa koa hanjifa itony zavatsoa itony. Tongava ianao izay taranaka vonona fa hiatrika ny jobily faha 50 taona isika amin'ny taona 2026. Hijoro tsy hitsanga-menatra isika eo anatrehan'ny Tompo ary handray ny Fitahiana ho an'ny fiainanana ho avy rehetra. Tononina ny Fiadanana ho an'izay rehetra malalan'Andriamanitra sady voaantso ho masina. Ny Mpitandrina RASOLOARIJAO ANDRIANARISATA Harilaza mitondra ny fitandremana FJKM AMBATOMALAZA aty amin'ny commune AMBOHIMALAZA