Ny Razantsika hendry_Hira Katolika Malagasy
Hira Katolika Malagasy
0:00 / 0:00
Ny Razantsika hendry_Hira Katolika Malagasy
3 926 просмотров · 2 г. назад
Hira Katolika Malagasy
17,5 тыс. подписчиков
3 926 просмотров · 2 г. назад
Welcome to our YouTube channel dedicated to Malagasy Catholic music! We are delighted to share with you an inspiring collection of religious songs from Madagascar. Our channel is here to offer you a connection to your spiritual heritage.
Bienvenue sur notre chaîne YouTube dédiée à la musique Catholique Malagasy ! Nous sommes ravis de partager avec vous une collection inspirante de chansons religieuses en provenance de Madagascar. Notre chaîne est là pour vous offrir un lien avec votre héritage spirituel.
#HiraKatolikaMalagasy #HiraKatolikaMalagasy #HiraKatolikaMalagasy
1 Ny razantsika hendry sy lalim-pandinihana
Nahalala sy niaiky fa mamy 'tony aina!
Mirindra sy milamina ny misy manontolo
Mandravaka an'izany... Somambisamby ihany!
Kristy no Fiadanana azo antoka ho antsika. (indroa)
2 Ny razantsika hendry sy lalim-pandinihana
Nahatsapa sy niaiky fa ao ny Zanahary,
Mpandahatra toavina, fa mandamina hilanto
Ny lanitra sy tany... Somambisamby ihany!
Kristy no Hazavana izay nomen'ny Ray antsika. (indroa)
3 Ny razantsika hendry sy lalim-pandinihana
Nankamamy sy niaiky firaisan-kina mafy:
Tsy ala ny hazo tokana, ka miara-misalahy,
Tsy hisy hanoha riana... Sombambisamby ihany!
Kristy no nandefa ny Fanahy hiraisantsika. (indroa)
4 Ny razantsika hendry sy lalim-pandinihana
Nanantena sy niaiky Fanahy tsy ho faty,
Tsy safotry ny fasana na haizina mikindro
Ka afaka mitahy... Sombambisamby ihany!
Kristy no tena Aina sady santatra ho antsika. (indroa)
5 Ny razantsika hendry sy lalim-pandinihana
Naminany lalandava fihaonambe mitohy;
Satria ny faniriany tsy hisara-mianakavy
Tsy lefy tao am-pony... Somambisamby ihany!
Kristy no nanambara fa ny Ray no miandry antsika. (indroa)