VAVAKA MARAINA - Tononkalo fiderana
Steblerlin RAVELOMANANTSOA
0:00 / 0:00
VAVAKA MARAINA - Tononkalo fiderana
1 724 просмотра · 3 года назад
Steblerlin RAVELOMANANTSOA
1,32 тыс. подписчиков
1 724 просмотра · 3 года назад
Tompo ô,
Nosokafanao ny masoko hahita
Izany hakanton'ny voary manjopika
Lasa lavitra ny saiko hamisavisa
Ny hatsaran'ny asanao tsy hita isa.
Tompo ô,
Notendrenao indray handre ny sofiko
Izany siokan'ny natiora ho tonga nofiko
Toa mozikam-piderana tsara rindra
Tena mamiko sy teliko indrindra.
Tompo ô,
Endrey ny hatsaran'iretsy voronkely
Toy izao koa ve izany ny anjely ?
Miombom-peo, misaotra Anao izay nahary
Izao rehetra hita izao ho lavo rary ?
Tompo ô,
Raha izay fahendrenao tsy hita lany
Raha nahary Ianao ny lanitra sy tany,
Fa mbola tsy mety takatry ny saiko
Ny fitiavanao hanavotra ny aiko.
Tompo ô,
Nosokafanao ny foko hahatsapa
Ilay Mpanjaka be fitia nandao ny lapa
Tsy voafafa, tsy mba maty ao an-tsaina,
He tsaroako isan'andro, isa-maraina.
Amen.