Перейти к содержимому

VAVAKA MARAINA - Tononkalo fiderana

Steblerlin RAVELOMANANTSOA

0:00 / 0:00

VAVAKA MARAINA - Tononkalo fiderana

1 724 просмотра · 3 года назад
Steblerlin RAVELOMANANTSOA
1,32 тыс. подписчиков
1 724 просмотра · 3 года назад
Tompo ô, Nosokafanao ny masoko hahita Izany hakanton'ny voary manjopika Lasa lavitra ny saiko hamisavisa Ny hatsaran'ny asanao tsy hita isa. Tompo ô, Notendrenao indray handre ny sofiko Izany siokan'ny natiora ho tonga nofiko Toa mozikam-piderana tsara rindra Tena mamiko sy teliko indrindra. Tompo ô, Endrey ny hatsaran'iretsy voronkely Toy izao koa ve izany ny anjely ? Miombom-peo, misaotra Anao izay nahary Izao rehetra hita izao ho lavo rary ? Tompo ô, Raha izay fahendrenao tsy hita lany Raha nahary Ianao ny lanitra sy tany, Fa mbola tsy mety takatry ny saiko Ny fitiavanao hanavotra ny aiko. Tompo ô, Nosokafanao ny foko hahatsapa Ilay Mpanjaka be fitia nandao ny lapa Tsy voafafa, tsy mba maty ao an-tsaina, He tsaroako isan'andro, isa-maraina. Amen.