Перейти к содержимому

MIVERENA AMIN'NY TOMPO - Groupe Dolifa (Lyrics)

Lyrics by Kalo

0:00 / 0:00

MIVERENA AMIN'NY TOMPO - Groupe Dolifa (Lyrics)

3 809 просмотров · 11 мес. назад
Lyrics by Kalo
2,17 тыс. подписчиков
3 809 просмотров · 11 мес. назад
🌿MIVERENA AMIN'NY TOMPO - Groupe Dolifa🌿 (Lyrics) Miverena amin'ny Tompo Ry Israely mpiodina ô Fa Jehovah Ray mahery No miantso ka avia Tsy hampanjombona ny tavany Tsy hitahiry fahatezerana F'hamindrafo sy hiantra Vonon-kandefitra Koa ekeo ny helokao Hibebao izay vitanao Avia mpanota ô Henoy 'zao antso izao Ilay Rainao be fitiavana Tsy miova, tsy mifindra Fa miandry am-paharetana Meteza re Mpivahiny nanjenjena Ka dia tap-idalan-kaleha Efa reraka sy hana Miverena re Ho fenoin'Ilay Mpanjaka Herim-po sy herim-panahy Ny fiainana ho tafita Matokia f'aza manahy Koa ekeo ny helokao Hibebao izay vitanao Avia mpanota ô Henoy 'zao antso izao Ilay Rainao be fitiavana Tsy miova, tsy mifindra Fa miandry am-paharetana Meteza re Raha tonga ny andro malaza Hisehoan'Ny Tompo tia Dia hifaly isika hankalaza Tody soa, tafita ny dia Fa tsy hisy hampatahotra Jesosy no eo anilanao Ny loza dia ho lavitra Tsisy sento, tsisy toreo Koa ekeo ny helokao Hibebao izay vitanao Avia mpanota ô Henoy 'zao antso izao Ilay Rainao be fitiavana Tsy miova, tsy mifindra Fa miandry am-paharetana Meteza re Koa ekeo ny helokao Hibebao izay vitanao Avia mpanota ô Henoy 'zao antso izao Ilay Rainao be fitiavana Tsy miova, tsy mifindra Fa miandry am-paharetana Meteza re Meteza re Meteza re 🛐 #LyricsbyKalo