I Bao sa i Beby - Artistes mivondrona - 55e anniversaire André TITYS- - Auteur compositeur
Ben Randria
0:00 / 0:00
I Bao sa i Beby - Artistes mivondrona - 55e anniversaire André TITYS- - Auteur compositeur
27 364 просмотра · 15 лет назад
Ben Randria
296 подписчиков
27 364 просмотра · 15 лет назад
55ème anniversaire - André TITYS auteur-compositeur (1956- 2006) .
TONONKIRA : I BAO SA I BEBY
I Bao sa i Beby no tena filamatra tsara indrindra
I Bao tsara endrika f’i Beby kosa dia tsara famindra
Ny mason’i Bao dia baribary toa mason-domoina
Ny jerin’i Beby dia lafo vidy tsy azo soloina
Refrain :
Bao a ! samy tsara ianareo , samy tsara
Beby e ! samy endrik’ity Gasikara
Bao a ! mananjara izahay Malagasy
Beby e ! ka tsy menatry ny ho kasikasy
Izany ianareo raha sendra tafaraka tsy haiko lazaina
Mampiato mpandalo tsy mahatsiaro dia fa toa very saina
Ny iray mody jenitra tsy mierika akory kanefa manjola
Ny iray mody tezitra, midongidongy kanefa miangola
Raha sendra handihy ianao ka sendran’ irony salegy
Dia ho sanganehana tsy hita izay ho raisina i Bao sa i Beby
Fa samy bikàna, samy tanora ary samy hafa kely
Toa tsy olona intsony no fahitana azy fa tena anjely
Paroles et musique André TITYS - 1966