MAMELA MAMY - Tarika Ny Any Aminay
Tarika Ny Any Aminay
0:00 / 0:00
MAMELA MAMY - Tarika Ny Any Aminay
7 534 просмотра · 6 месяцев назад
Tarika Ny Any Aminay
311 подписчиков
7 534 просмотра · 6 месяцев назад
Satria e, fandalovana ny eto an-tany
Mifandimby ao ny tsiky ary koa ny tomany
Araraoty ny andro mba anaovan-tsoa
Ny disadisa sy ny ady havalony avokoa
Nahoana tokoa raha ho faty ihany
Raha manao ny soa sy mamela mamy
Ny soa atao hono mantsy levenam-bola
Sambatra ianao mbola afa-midola
Andao e hiray hina mba hanao ny tsara
Izay notahiana ka afa-mizara
Hijery ny ory ka hanolo-tanana
Hanampy ny osa ary koa ireo tsy manana
Nahoana tokoa raha ho faty ihany
Raha manao ny soa sy mamela mamy
Ny soa atao hono mantsy levenam-bola
Sambatra ianao mbola afa-midola
A/C: Naivoarivelo RAKOTONDRATSIMBA