Перейти к содержимому

Edouard Andrianjafintrimo dit "STELLA"

Andrianalizah Bary

0:00 / 0:00

Edouard Andrianjafintrimo dit "STELLA"

1 718 просмотров · 10 л. назад
Andrianalizah Bary
58 подписчиков
1 718 просмотров · 10 л. назад
Edouard Andrianjafintrimo, na koa hoe "STELLA" dia voasokajy ho isan'ireo "Mpanoratra zokiny" teo amin'ny literatiora malagasy. Mpanoratra niaina tao anatin'ny vanim-potoana Fiforetana anaty, izay nanjakan'ny fiafiana, fijaliana, figejana tsy afaka mivelatra amin'ny hafa. Anisan'ireo mpanoratra sangany teto Madagasikara izy ary nampianatra mpanoratra maro dia ireo mpanoratra zandriny rehetra. Ankoatra maha mpanoratra azy, dia mpanao gazety malagasy anisan'ny voalohany izy. Izy no namorina ny gazety "Ny Basivava" gazety tsy miankina amin'ny fiangonana voalohany indrindra tamin'i 1906 niaraka tamin'i Ralaimanisa. Namorina ny gazety ny LOHARANO ihany koa ny taona 1914 ary ny taona 1924 no namoronany ny gazety NY SAKAFONTSAINA. Mpanao politika ary tia tanindrazana iringirina i Edouard Andrianjafintrimo. Mpikambana ary isan'ireo Mpitarika ny Vy Vato Sakelika na V.V.S izy ny 1914-1916. Nogadraina noho io resaka io izy vokatr'izany ary nalefa sesin-tany tany Dzaoudzi Mayotte. Kristianina nijoro tamin'ny finoan'i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy izy. Mpitori-teny malaza teto Madagasikara teo amin'ny sehatry ny protestanta. Izy no namorina ny sekoly alahady teo ambohitantely. Zanak'i Rasahenolahy, lehiben'ny Zazamarolahy farany tamin'ny faha-mpanjaka izy. Ary ity Rasahenolahy ity no namonjy ny ain'i Misionera anglisy Hubert Fox Standing raha saika novonoin'ireo menalamba ito misionera ito ny taona 1886. Nanomboka teo dia notezain'i Dr Standing tao amin i Edouard Andrianjafintrimo mba ho mari-pankasitrahana ny soa nataon'i Rasahenolahy azy. Tao no namolavola an'i Edouard Andrianjafintrimo tamin'ny asa soratra.