Izay mino ( Fahatsiarovana Zoky Lalaharivony )
Docteur Rivolala Andrianantoavina (CALDEN President)
0:00 / 0:00
Izay mino ( Fahatsiarovana Zoky Lalaharivony )
1 586 просмотров · 5 лет назад
Docteur Rivolala Andrianantoavina (CALDEN President)
5,05 тыс. подписчиков
1 586 просмотров · 5 лет назад
Nandao antsika ireo havana
Lasana koa ireo namana
Tsy hiverina intsony
Saingy hijanona ao am-po ny soa nataony.
Indraindray mitamberina
Ireo fotoana niarahana
Tsy hiverina intsony
Saingy izao no fanantenana hampitony :
Izay mino sy miandry ny Tompo,
Mbola hifaly, afaka manantena tokoa
F’indray andro any mbola hihaona indray,
Tsy hisento intsony eo anilan’ny Ray.
K'aza malahelo foana ny fo,
F' izay maty ao amin’ny Tompo
Mbola hitsangana koa,
K'indray andro any mbola hihaona indray
Tsy hisento intsony eo anilan’ny Ray.
Indraindray mitamberina
Ireo fotoana niarahana
Tsy hiverina intsony
Saingy izao no hafatra atolony :
Raha misy fahatsiarovana
Ny soa nataony no tohizana
Ka ny hoavy no banjinina
Hanohy ny dia hiaraka amin'ilay Be Fitia
Hira : Izay mino ( Fara Andriamamonjy)
Sary ravaka : Zaikabe UGBM 2012
😭😭😭😭😭😭😭😭😭😭😭😭
Santionan’ny fijoroana vavolobelona nataon’i Zoky Lalaharivony Rafieferana tao amin’ny Gazety Tsiaro GBU Antsirabe ny taona 2019 : « Izy dia notezaina tao anaty fianakaviana kristiana ary tsy mba nandalo firy izany ditran’ny tanora izany. Ireny lazaina hoe hendry ireny araka ny fijerin’ny olona azy.
Vao afaka BAC izy ny faha 21 taony dia nianatra tao amin’ny Sampam-pianarana Mathématiques-Physiques teny amin’ny Oniversite Antananarivo. Teny izy no nahita ny Groupe Biblique (GBU) voalohany ary mpikambana GBU iray antsoina hoe Marthe Hervé no nifanerasera taminy.
Taty aoriana dia nanatrika fitoriana filazantsara iray izy ka tao no nanolorany tena hoan’ny Tompo, nitsangana izy rehefa nisy antso natao. Ary raha vao tonga tany antrano izy dia nandohalika teo antongom-pandrianany niaiky ny helony, nanamafy fa Jesosy no Tompony manomboka izao ary mino fa Izy no Mpamonjiny. 17 Septembra 1977 izay fotoana izay...»
😭😭😭😭😭😭😭😭😭😭😭😭
Zoky Lalah : namana, zoky, dada, mpiara-miasa, mpiara-manompo teto anivon’ny UGBM mamy. Tena tia ny Tompo, tia ny hafa koa. Tsy mba nitarai-tana-miepaka.
Na dian-tongotra na bisikileta na bus samy nampiasainy daholo teto Antananarivo hamonjy birao. Taxi-brousse tsy tambo isaina no efa nitaingenany namangy ny GBL manerana ny Nosy.
Tso-po. Fahatsorana tsy mba amboaboarina fa tena izay mihitsy izy. Rehefa mihomehy dia tena avy anaty fo ary mamindra amin’ny hafa; ianao indray no lanaka. Mahitsy rehefa mananatra. Matotra rehefa mampianatra. Mazava nefa tsotra rehefa mampita hevitra.
Dada a! « O » hoy ny famaliny foana rehefa antsoiko. Fon-dRay!
Niantso izy tamin’ny faramparany teo hoe: « nilaozan’i Ndriana isika Rozy a. Samia mahery ». Ndriana Ramamonjy io lazainy io. Tsy adinonay manko ny niarahanay enina mianadahy (Ndrina, Lalah, Simeon, Beby, izaho) fony GBU, nisolotena ny UGBM tany Norvezy! Notarihin’i zoky Pasy (Pascal Ratovona, tonian’ny UGBM tamin’izay).
Ngoma. Banga isika nilaozany. Tsy mety maina ny maso. Fa ... samia Mahereza. Ndeha tohizana ny asa. Arahana ny ohatra navelany.
Ho sitrana soa anie ianao zoky Nirina! Mahereza Miantso mianadahy avy.
(Zoky Rosina - Ngoma!)
😭😭😭😭😭😭😭😭😭😭😭😭
Raha vao ny anarany no heno fa hitondra fampianarana
Zovy ré no tsy ho liana fa hianoka hasambarana
Tsikitsiky anelanelany, miampy fihetsika na dihy
Tena nampiavaka azy, izaho dia tena nankafy
Mahafinaritra ny fiainany, toa tsotsotra nefa tsara
Raha vao Mijoro fotsiny izy, dia misy hafatra voambara
Fampianarana ahatsiarovako azy ka nampiorina ny tena
Ny resaka fahazoana antoka ny amin’ilay famonjena
« Ianao mahalala, izaho koa mbô mahalala », toa fiteniny matetika
Toa zary tsy afaka an-tsaina, Io teny Io ombam-pihetsika
Nampiavaka azy koa, zoky tsy mba niafahafa
Fa na Ory ianao na manana, tena hainy ny nitafa
Ny maha malagasy azy, tena tsapako fa tiany
Toa fierté-ny mitsy, iny malabariny iny
Ny hira kanto malagasy, aoka fotsiny hoy ianao
Indrindra moa fa nampiarahiny amin’ilay angorodao !
Zoky LALAH, lasa ianao, lasa fa namela mamy
Tsy ny taranakao ihany no voafaritra amin’izany,
Fa maro ireo nandray ny soa, indrindra moa ny famonjena
Tsy mba 1 na 2 ireny, fa dia maro sesehena.
Fahoriana ny nisaraka, satria moa fo nofo ihany
Toa mangidy ny any anaty sady latsaka tomany
Mazava ny anao ny lalana, Ary tena azo Toky
Koa mandria am-piadanana, mbôla hiaona isika zoky
(Zoky Hermand sy Najoro)
😭😭😭😭😭😭😭😭😭😭😭😭
Lasa i Zoky Lalaharivony, veloma mbola hihaona.
Tsaroako ity teniny t@ fisaorana azy noho ny asa vitany teto @ UGBM :
"Aleoko izaho velona izao no hanaovanareo zay tianareo atao amiko fa rehefa maty aho tsy hitako intsony zany"
Tena tsy afaka manao na inona na inona tokoa isika UGBM zao afa-tsy ny mampahery ny ankohonany
(Mahefa Randriamalalasoa)
😭😭😭😭😭😭😭😭😭😭😭😭
Fa Izy no nihavian'izao zavatra rehetra izao, Izy no mihazona azy sady Izy koa no antony. ( Rom. 11 : 36 )
Mahereza daholo isika mpikambana UGBM (GBA-GBU-GBS)
Fa efa any amin'ilay Tsara Indrindra i Zoky Lalaharivony Rafieferana Gustave
Veloma mandram-pihaona Zoky Lalah
Rehefa hoavy Jesosy dia hifanena eny @ rahon'ny lanitra isika hitsena Azy dia ho any amin'ny Tompo mandrakizay e