𝐒𝐀𝐌𝐎𝐄𝐋𝐀 - 𝐙𝐀𝐍𝐀-𝐏𝐎𝐊𝐎𝐍𝐎𝐋𝐎 (Album "Bandy Akama" / Do Sol & Be Mozik - 2004)
Samoela
0:00 / 0:00
𝐒𝐀𝐌𝐎𝐄𝐋𝐀 - 𝐙𝐀𝐍𝐀-𝐏𝐎𝐊𝐎𝐍𝐎𝐋𝐎 (Album "Bandy Akama" / Do Sol & Be Mozik - 2004)
39 965 просмотров · 2 года назад
Samoela
25 тыс. подписчиков
39 965 просмотров · 2 года назад
Fa tsy zanak’alika io
Tsy zanak’adala
Fa zana-pokonolo
Tsy nandalo akanin-jaza
Tsy nandalo sekoly
Fa tonga de olo,
Milaza ho mahavita tena, Sy mahavelon-tena
Ary mahagaga mihitsy fa io tsy mitsitsy
Tsy mahalala A,B,D, tsy mahay mamaky teny
Nefa mahita vola
Tsy mandroba ny ao an-tanana io
Tsy mandroba ny akamakama
Fa vahiny mandalo no ataony fairano
Ny asa mba tiany sy izay mba niriany
Dia ny hanao mpihira na hanao miaramila
Nefa sarotra ihany no ahavitany an’izany
Hatreto aloha de mamaky sinoa
Rehefa tsisy karama de mandroba karana
Any amin’i lery any ny kadasitry Tsaralalana
Rehefa hanaja ny baiko io dia toy ny boloky
Rehefa hanao fetsifetsy io dia mahay misoloky
Kelikely mahia fa hay Rôsanaly
Nisy andro nahaory an’io, Fa tsy nisy na inona na inona
Dia nisy nangala teto, Fa hametraka barazy any Barikavily
Niakatra fitsarana io nisy fotoana
Fa navotsotry ny mpanao lalana, Satria tsy ampy taona
Dia nalefa teny Ambohidratrimo, Teny amin’ny zaza maditra
Fa vao maika nitrifana vao maika niridana,
Fa nahazo ekipa
‘Lay andian-jatovo lasa andian-jiolahy
Kanjo tratran’ny pra
Tsy nandalo Antanimora, tsy nandalo Nosilava
Avy hatrany de Tsiafahy
Dia nivoaka an-gazety, hatramin’ny internet
Fa iaraha-mahalala ‘ty tany tan-dalana
Tsy te-hahalala izay mihoa-pefy
Izay manao ny tsy mety
Nefa anie…
Tonony sy feony : Samoëla RASOLOFONIAINA