Перейти к содержимому

FFPM 635 – Aina no fetra ry Jesosy Tompo

Ny Hiran'ny Lanitra

0:00 / 0:00

FFPM 635 – Aina no fetra ry Jesosy Tompo

910 просмотров · 2 недели назад
Ny Hiran'ny Lanitra
119 подписчиков
910 просмотров · 2 недели назад
1. Aina no fetra ry Jesosy Tompo Izany no tenin’ity zanakao Vonon-kanaraka Anao sy hanompo Amin’ny mora sy sarotra hatao. Mandrakizay no tokimpanompoana Mamin’ny olon’izay afakao. Mandrakizay ekenay ho faneva Ny holatrao nanavotana anay. 2. Na ny mangidy heverina ho mamy, Raha miray aminao izahay, Iza no tsy hahafoy ny ainy Mba ho Anao Izay nisolo anay! Mandrakizay no tokimpanompoana Mamin’ny olon’izay afakao. Mandrakizay ekenay ho faneva Ny holatrao nanavotana anay. 3. Hianao, ry Jeso! No ilay Kapiteny, Izay hampandresy tokoa anay; Ka raha Hianao, Tompo, no mba miteny, Lasa izay mahakivy anay: Mandrakizay no tokimpanompoana Mamin’ny olon’izay afakao. Mandrakizay ekenay ho faneva Ny holatrao nanavotana anay. 4. Vonon-kandeha na aiza na aiza, Ireto mpanompo matoky Anao, Na dia ny fahafatesana aza, Tsy hahaleo anay mpianatrao: Mandrakizay no tokimpanompoana Mamin’ny olon’izay afakao. Mandrakizay ekenay ho faneva Ny holatrao nanavotana anay. #FihiranaFFPM​ #Chœur_Liturgique_FLMAmbatovinaky​ #Ny_Hiran_ny_Lanitra_2021