LESONA SS FAHA 5 Q3 2026 HO VONINAHITR'ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY DR JEAN JACQUES A
HOPEFY
0:00 / 0:00
LESONA SS FAHA 5 Q3 2026 HO VONINAHITR'ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY DR JEAN JACQUES A
178 просмотров · 1 месяц назад
HOPEFY
3,82 тыс. подписчиков
178 просмотров · 1 месяц назад
HO VONINAHITR' ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY
Hodinihina mandritra ny herinandro:
1 Kor. 8; Asa. 15:20; 1 Kor. 9:1-6; 1 Kor. 10:5-22; Deo. 6:4, 5; Mar. 12:28-31.
Tsianjery
"Koa amin'izany, na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr Andriamanitra izany rehetra izany." - 1 Kor. 10:31.
Iaranana ao amin'ny 1 Kor. 8-10 ny lohahevitra momba ny fitondrantena amin'ny maha-lahy sy maha-vavy (ao amin'ny toko faha-5-6), ary aseho ao koa ny namalian'i Paoly ireo fanontaniana manokana nosoratan'ny Korintianina (1 Kor. 7:1). Ireo valin-teny ireo no mibahana ao amin'ny tohin'ny 1 Kor. manontolo.
Ny 1 Kor. 7, izay miendrika tetezamita, dia ahitana fa lohahevitra mifandray ny fahalotoam-pitondrantena (toko faha-5-7) sy ny fanompoan-tsampy (toko faha-8-10). Raha ny marina, matetika izy ireo no miara-tononina ao amin'ny TV (jereo ny Asa. 15:20,29; Asa. 21:25; 1 Kor. 6:9; Efes. 5:5; Köl. 3:5; Apôk. 21:8; Apôk. 22:15).
Raha jerena ankapobeny dia ny olan'ny fijangajangana no resahin'i Paoly ao amin'ny 1 Kor. 5-7, ary ny momba ny fanompoan-tsampy kosa no tena mampanahy azy ao amin'ny 1 Kor. 8-10. Ambarany tsy maintsy mandositra ireo roa ireo ny Kristianina (1 Kor. 6:18, 1 Kor. 10:14).
Hitantsika tamin'ny herinandro lasa fa afaka mandositra ny fijangajangana ny olona iray raha ataony tempolin'ny Fanahy Masina ny tenany (1 Kor. 6:19,20). Amin'ity herinandro ity kosa, ho hitantsika fa afaka mandositra ny fanompoan-tsampy isika rehefa ataontsika «ho voninahitr Andriamanitra» ny zavatra rehetra 1 Kor. 10:31.