Перейти к содержимому

KEMYRAH - DEPRESSION

KEMYRAH

0:00 / 0:00

KEMYRAH - DEPRESSION

75 710 просмотров · 5 лет назад
KEMYRAH
8,78 тыс. подписчиков
75 710 просмотров · 5 лет назад
//𝙈𝙊𝙊𝘿 𝙊𝙐𝙏 𝙉𝙊𝙒// Abonnez-vous pour télécharger l'album Laden Sie mein neues Album auf : https://cutt.ly/xgBap1P Télécharger mon nouvel album sur : https://cutt.ly/xgBap1P Download my new album on : https://cutt.ly/xgBap1P ——————————————————————————————— Studio : Flawless Records Germany Bil Studio Madagascar Studio Studio Madagascar Prod. Raspo Beats Mix & Mastering : Tahiana Andrianiaina x Lova Bil Rakotomalala x Faly ——————————————————————————————— Lyrics : Iza no afaka mba manazava? Fa maninona ny saiko no tsy mety mangina Tabataba lava no reko hatramin’ny oviana… Hey ! Tsy mety tony Toa mametraka fanotanina lava Mikorontana ny saiko Tsy mitsahatra rahovina toa mandrava Nanjary loko mainty foana no tazako Nanjary tiako hatramin'ny haizina sy ny maloka Dia hira mandatsa-dranomaso izany lasa tsy halako Ilay alahelo tsy miala intsony fa toa namatotra ahy Eo imason'ny namana ny endrika mitsiky Ny nify adera ny tarehy tsy avela ho malok'endrika Nafeniko anareo ilay sambo efa ila ho rendrika Miverina ao an-tsaiko foana ilay hoe za tsy mendrika Sanatria ny hampiseho hoe tena resy aho Resy lava mitanondrika tsy hila vonjy akory Tsy aiko ny hanazava hoe za ty anie ka manakory Iza no handatsa ? Iza no hiomehy ? Iza no mba hanoro ahy ? Iza ? Dia harary indray ny loha izao dia (harary indray ny loha izao) Dia ho vaky indray ny loha izao Alahelo mitambesatra mameno ny fo Ny kapoaka efa ela no efa feno Ny saina milaza hoe tandremo Ny foko milaza hoe mitenena Hoe mitediava ialahy fanampiana fa ialahy tsy tafavoaka amin'io izany Ny loha marary lava Ny maso mena ho hoatry ny afo Aza hanontaniana hoe oviana no farany nisakafo Vao maika te hihiboka, vao maika tsy hivoaka Satria ny teny marary nareo anie no vao maika mandavo Nareo mantsy miheritreritra fa safidiko ilay hijaly Teneninareo za fa ny androany tsara foana noho ny omaly Hoe mitsikia fa androko androany Tsy safidiko anie ilay mitomany Fa mora aminareo no manabarabara hoe izaho hoatry ny adala Adala ? Mety hoe tena adala Saingy tsy noho ny tenako fa noho ny fankahalàna Noho ny halahelo dia ny hatezerana, fijaliana sy fanenenana Mifangaro ao an-tsaiko Hoatry ny fahoriana tsy hay hiafenana Tsy nikipy aho firy andro ny masoko mena Impiry nandalo tao an-tsaiko ny hamono tena Fa inona no ataoko ety amboniny tany Raha hisotro mangidy tsy higoka ny mamy Kivy amin'ny tenako aho marefo loatra aho Te hiala amin'izao fahoriana izao Ampio aho Ray, mba alaivo ho any ankoatra aho Alohan’ny hanaovako ny tsy fanao Ratraratraiko ny vatako Feno dia-na lame ny tanako Milomano anaty ny rà izay noheritreretiko fa mba hamafa ireo lasako Toa ny saiko ihany anie no fasako Feno hevitra mainty ny saiko Ny foko variana mampitomany ahy dia tsy aiko intsony hoe iza intsony no mibaiko Mahatsiaro very aho Iza no hanampy ? Fivavahana, Dokotera, Akama ve sa sampy e ? Hatsaharo izany tabataba anaty saiko 2 minitra fotsiny dia efa ampy Ny kiakiaky ny feon'ny fiheritreretako mila hampitapy ahy Perdu dans un monde qui ne me ressemble pas Dans un univers où les valeurs n'existent pas Je vis sans vraiment exister Dans cette société vide de vérité Je ne sais pas vraiment qui je suis Je suis prise dans une telle folie J’ai envie d'abandonner Tout mon corps a laissé errer sans âme pour qu'il puisse continuer Laisser à moi-même dans ce troue sans fin Je ne réussis pas à trouver la raison Où est donc passé mon sourire ? J'ai oublié comment rire Je nage dans une mer de noirceur où se sont accumulés tous mes pleures Je dois sans cesse me battre pour respirer Et ma force semble de plus en plus s'en aller Et je ne sais pas si j'arriverai à survivre bien longtemps Juste assez pour me libérer de mes tourments Mon cœur ne ressemble plus qu'à un amas de cicatrices Il a reçu tant de coups vifs Abattu par mon passé Je ne peux pas laisser mes démons me gagner NON !