Toriteny Alahady 20 Septambra 2026
FJKM ANKADIKELY- SPIA 19
0:00 / 0:00
Toriteny Alahady 20 Septambra 2026
435 просмотров · 2 нед. назад
FJKM ANKADIKELY- SPIA 19
564 подписчика
435 просмотров · 2 нед. назад
"𝗠𝗘𝗧𝗘𝗭𝗔 𝗛𝗜𝗔𝗦𝗔 𝗔𝗠𝗜𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗡𝗢𝗔𝗡𝗔"
Nitondra hafatra :
𝗥𝗔𝗞𝗢𝗧𝗢𝗔𝗥𝗜𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗮𝗻𝘁𝗲𝗻𝗮𝗶𝗻𝗮 𝗠𝗮𝗺𝗶𝘁𝗶𝗮𝗻𝗮-Mpitandrina
Andinin-Tsoratra Masina nangalana ny hafatra :
𝗠𝗮𝗿𝗸𝗮 𝟮 : 𝟭 - 𝟭𝟮
#Ny nahasitranan'i Jesoa an-dralehilahy nararin'ny paralysia tao Kapernaomy.# Ary nony niditra tao Kapernaomy indray Izy, rehefa afaka andro vitsivitsy, dia re fa tao an-trano Izy, ka dia tafangona ny maro, ka tsy nisy hitoerana intsony, na dia teny anoloan'ny varavarana aza; ary Izy nitory ny teny taminy. Ary nisy nanatona nitondra ny anankiray mararin'ny paralysisa ho eo aminy, izay nolanjain'efa-dahy. Ary satria tsy afaka nanakaiky Azy izy noho ny habetsahan'ny vahoaka, dia nanesorany ny tafon'ny trano nitoeran'i Jesoa, ka nony efa voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana izay nandrian'ilay nararin'ny paralysisa. Ary Jesoa, nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Anaka, voavela ny helokao. Ary nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo ka nieritreritra tao am-pony hoe: Nahoana Ilehity no miteny toy izany? Miteny ratsy* Izy. Iza no mahavela heloka afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra? [*Grika: manao blasfemia, izahao Matio 9:3] Ary niaraka tamin'izay Jesoa dia nahalala tao am-panahiny fa nieritreritra izany tao am-pony ireo, dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mieritreritra izany zavatra izany ao am-ponareo? Iza moa no moramora kokoa, ny manao amin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka mandehana? Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana ety ambonin'ny tany hamela heloka, dia lazaiko aminao (hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa): Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao. Dia nitsangana izy ka nambeta ny fandriany niaraka tamin'izay ary niala teo anatrehan'ny olona rehetra; dia talanjona izy rehetra ka nankalaza an'Andriamanitra nanao hoe: Tsy mbola nahita izay toy izao izahay. — 𝗠𝗮𝗿𝗸𝗮 𝟮 : 𝟭 - 𝟭𝟮
Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra!