Перейти к содержимому

Jehovah ô! Hianao nandinika ahy (FFPM 482)

Randriarimanana Lalaina

0:00 / 0:00

Jehovah ô! Hianao nandinika ahy (FFPM 482)

16 841 просмотр · 8 л. назад
Randriarimanana Lalaina
66 подписчиков
16 841 просмотр · 8 л. назад
1. Jehovah ô! Hianao nandinika ahy, Ka fantatrao ny toe-piainako; Ny fo sy saina mbamin’ny fanahy Tsy miafina aminao, ry Tompoko! 2. Ka na mipetraka aho, na mandeha, Izay rehetra ataoko hitanao, He, fantatrao ny lalana haleha, Ny androko dia eo an-tananao. 3. Na velona aho, eny, maty aza, Ny tenako dia eo imasonao, Ka toerana aiza, lalana mankaiza No hialako tsy ho hitanao? 4. Ry Tompo! tena mahagaga loatra Ny asanao sy ny fisainanao ; Tsy misy saina mety mahatratra Ny fahendrenao sy ny herinao. 5. Izao no hany zavatra iriko : Velaro indrindra ny fitiavanao, Hahaizako hametraka ny foko Hionona eo am-pela-tananao