Toriteny noravahana hira : Alahady 26 Jolay 2026
FJKM ANKADIKELY- SPIA 19
0:00 / 0:00
Toriteny noravahana hira : Alahady 26 Jolay 2026
96 просмотров · 2 мес. назад
FJKM ANKADIKELY- SPIA 19
565 подписчиков
96 просмотров · 2 мес. назад
"𝗠𝗔𝗡𝗔𝗜𝗞𝗬 𝗛𝗢 𝗜𝗥𝗔𝗞𝗔 𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗜𝗡𝗢"
Nitondra hafatra :
𝗥𝗔𝗩𝗘𝗟𝗢𝗡𝗔𝗡𝗧𝗘𝗡𝗔𝗜𝗡𝗔 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗶𝗮𝗻𝗷𝗮𝗳𝘆-Mpitandrina ,
Sy ny Antokom-pihira 𝗦𝗔𝗠𝗣𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗔𝗡𝗢𝗥𝗔 𝗞𝗥𝗜𝗦𝗧𝗜𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗡𝗞𝗔𝗗𝗜𝗞𝗘𝗟𝗬 "𝗡𝘆 𝗥𝗼𝗶𝗺𝗲𝗺𝘆"
Andinin-Tsoratra Masina nangalana ny hafatra :
𝗘𝗸𝘀𝗼𝗱𝗼𝘀𝘆 𝟯 : 𝟳 - 𝟭𝟰
Ary hoy Jehovah: Efa hitako tokoa ny fahorian'ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon'ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony; dia efa nidina Aho izao hamonjy azy amin'ny tanan'ny Egyptiana ka hitondra azy hiakatra hiala amin'izany tany izany ho any amin'izay tany soa sy malalaka, dia any amin'izay tany tondra-dronono sy tantely, any amin'ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita. Ary ankehitriny, indro, ny fitarainan'ny Zanak'Isiraely dia efa mby aty amiko, sady efa hitako koa ny fahoriana izay ampahorian'ny Egyptiana azy. Koa avia ankehitriny ianao hirahiko ho any amin'i Farao hitondra ny Zanak'Isiraely oloko hivoaka avy any Egypta. Fa hoy Mosesy tamin'Andriamanitra: Iza moa aho no hankany amin'i Farao sy hitondra ny Zanak'Isiraely hivoaka avy any Egypta? Ary hoy Izy: Homba anao tokoa Aho; ary izao no famantarana ho anao fa Izaho no efa naniraka anao; rehefa entinao mivoaka avy any Egypta ny olona, dia hanompo an'Andriamanitra eto amin'ity tendrombohitra ity ianareo. Ary hoy Mosesy tamin'Andriamanitra: Indro, rehefa tonga any amin'ny Zanak'Isiraely aho ka manao aminy hoe: Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho aty aminareo, ary hanao amiko hoe kosa izy: Iza moa no anarany? dia ahoana no havaliko azy? Ary hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy: IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY. Ary hoy koa Izy: Izao no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely: IZAHO IZAY Izy no efa naniraka ahy ho aty aminareo. — 𝗘𝗸𝘀𝗼𝗱𝗼𝘀𝘆 𝟯 : 𝟳 - 𝟭𝟰
Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra