Перейти к содержимому

Mofonaina Alatsinainy 05 Oktobra 2026

FJKM Ankadimbahoaka

0:00 / 0:00

Mofonaina Alatsinainy 05 Oktobra 2026

367 просмотров · 4 дня назад
FJKM Ankadimbahoaka
672 подписчика
367 просмотров · 4 дня назад
#Mofonaina anio Alatsinainy 05 Oktobra 2026 #Mat 6, 5 - 14 « MIVAVAHA MANDRAKARIVA » Hira : Ry Ankadimbahoaka malala www.facebook.com/FJKM.Fitandremana.Ankadimbahoaka Vakiteny: 5 Ary raha mivavaka ianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy; Fa izy tia ny mivavaka mitsangana eo amin'ny synagoga sy eo an-joron-dalana hahitan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany. 6 Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao. 7 Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; Fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy. 8 Koa aza manahaka azy ianareo; fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza ianareo. 9 Koa amin'izany mivavaha toy izao ianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. 10 Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra. 11 Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. 12 Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay. 13 Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny ratsy. 14 Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra. #SekolyAlahadyFJKM #FJKM #FJKM_Ankadimbahoaka #Baiboly #nyetodago