Перейти к содержимому

FFPM 694 – Enga ka hanana elatra soa

DFS Departemanta Firaketana sy Serasera FLM 67Ha

0:00 / 0:00

FFPM 694 – Enga ka hanana elatra soa

4 536 просмотров · 3 года назад
DFS Departemanta Firaketana sy Serasera FLM 67Ha
1,51 тыс. подписчиков
4 536 просмотров · 3 года назад
1. Enga ka hanana elatra soa :,: Aho ety,:,: Mba hanidinako avo tokoa :,: Hody ery,:,: Fo malahelo ny ratsy natao No ela-tsoa hitondra hankao; Hanana elatra aho anie Mba hanidinako ao! 2. Trano mamiratra tsara iry, :,: Raiko no ao,:,: Na nahabe ahy aza ity, :,: Mamiko ao; :,: Havako maro no sambatra ao., Faly ny foko hankeny izao: Enga ka hanana elatra aho, Mba hanidinako ao! 3. Na dia an-danitra aza ery, :,: Lavitra va?:,: Raha tarihin’i Jeso ety, :,: Ketraka va?:,: Tsia, fa hiainga tokoa aho izao! Indro akaiky ny làla-mankao: Enga ka hanana elatra soa, Mba hanidinako ao! 4. Andriamanitra Ray no ery. :,: Tsara tokoa; :,: Jesosy koa Ilay Mpamonjy tety, :,: Zanaka soa; :,: Ao ny Fanahy masina re! Tapitra ao avokoa ny soa; Hanana elatra aho anie, Mba hanidinako ao!