Перейти к содержимому

SAMOELA - MILA NAMANA (Live Antsahamaintra 2018 / Be Mozik)

Samoela

0:00 / 0:00

SAMOELA - MILA NAMANA (Live Antsahamaintra 2018 / Be Mozik)

19 782 просмотра · 1 год назад
Samoela
25 тыс. подписчиков
19 782 просмотра · 1 год назад
MILA NAMANA Aza fantatro anie ny adiresinao iny … Fa hamangivangiako anao … Matetika anie Aza fantatro hoy aho ny « telephone »-nao iny Fa ahandaniako « 25 unités » amin’ny « télécarte » Fa ny bikasoanao iny dia tsy matiko lolo Ny tsikitsikinao iny ihany koa, dia ndorondoro Ny hevitra ambaranao amiko anie Hoatry ny mifonofono K’izany no nahatoga ahy hisary zoro amianao Dia hikôtikôty, dia hisavisavika Dia hikitikitika, dia hisarisarika Efa fantatro fa misy fitiavana eh ! Anatin’ny lohanao any Misy fikasana, anatin’ny fonao any Misy entana hoya ho, amin’ny atin’akanjonao any Mila namana hoya ho, ny amin’ny atin’akanjonao any Ka aza hodianano fanina izany aho Fa isika sy ianao no mitambantra nge Hikatsaka ny fifaliana Ho tonga amin’ny tanjona irina Ho eny antanin’ny sambatra Manao dômy ny mpifankatia, ianao no mitelina ny « double 6 » Manao « rami » hoya ho ny mpifankatia, tsy maninona iafiako « Trèfle » Efa matotra tsara … ao amin’ny ara-dalana Tsy hanampiana, ary tsy hanalana Efa matora tsara Aza atao an’izany aho « chérie – chérie » Aza odianao fanina ity foko tia Aza hangaringariana sy hiavonavona io aho Fa rehefa mitsiky aho hoya ho, dia mba valio Tonony sy feony : Samoëla RASOLOFONIAINA