NY TOLOTRAO NO TENA FITIA Tonony / FeoPère Augustin Rakotonomenjanahary
VAVAKA HIRA KATOLIKA
0:00 / 0:00
NY TOLOTRAO NO TENA FITIA Tonony / FeoPère Augustin Rakotonomenjanahary
117 698 просмотров · 4 г. назад
VAVAKA HIRA KATOLIKA
9,85 тыс. подписчиков
117 698 просмотров · 4 г. назад
👉🎁 • Satria tiako ianao Maria (Hira fihobiana a...
1- Tompo ô, atolotray Anao ny fonay mba ho iray
Tolory fitia toy ny Anao ka hamasino re
Mba hahery hamakivaky ny onjam-piainana
Ny tolotrao e no tena fitia, Fitia maharitra ho doria
Mba raiso re, raha sitrakao
Raiso ry Ray ô, mandrakizay
Mba raiso re, raha sitrakao
Raiso Ray ô, mandrakizay
2- Tompo ô ambaranay Anao 'zato fikasanay
Ity mofo ‘zay atolotray: ho Vatanao re
Ka vokiso ny Fitiavanao izany fiainanay
Ny tolotrao e no tena fitia, Fitia maharitra ho doria
3- Tompo ô apetraka Aminao ny ahiahim-ponay
Ato anatin’ny divay izay hiova ho Rànao re !
Fenoy ny famindram-ponao ny fiainanay ety
Ny tolotrao e no tena fitia, Fitia maharitra ho doria