Перейти к содержимому

FFPM 500 – He! Manda fiarovana

Loterana-Malagasy ZFLM

0:00 / 0:00

FFPM 500 – He! Manda fiarovana

5 619 просмотров · 4 г. назад
Loterana-Malagasy ZFLM
4,14 тыс. подписчиков
5 619 просмотров · 4 г. назад
"He! Manda fiarovana" - Hira FFPM 500 Mazotoa mamerimberina sy mianatra ireto hira FFPM ireto any an-trano. Dia mba samy mahay be toa azy ireo daholo isika manerana ny isam-piangonana any rehefa mihira amin'ny fotoam-pivavahana FFPM 500 – He! Manda fiarovana 1. He! Manda fiarovana Andriamanitsika, Ampinga mahatohana Izay manjo antsika. Mamely fatratra, Satana sompatra, Mpandoza hatrizay, Mpamitaka mahay Tsy manampaharoa. 2. Malemy, tsinontsinona, Fa mora resy isika; Fa misy voahasina Miady ho antsika; Jesosy re izay, Ilay iraky ny Ray, Mpitarika mahay, Mpamonjy hatrizay Sy Tompom-pandresena. 3. Na dia ta-handevona Ireo devoly maro, Tsy misy atahorana, Jesosy no Mpiaro. Ilay rain’ny maizina Dia nohelohina, Ka tsy ahoana, Fa teny tokana Dia mahalavo azy. 4. Kendreny hofongorana Ny teny tanantsika, Kanefa tsy ho foana, Ny Tompo momba antsika Na dia ho fongana Ny laza ananana, Harena, havana Tsy mampaninona, Ny lanitra antsika. Source: video Fandaharana Teny Soa Mahafaly viva madagascar