Toriteny Alahady 27 Jolay 2025
FJKM ANKADIKELY- SPIA 19
0:00 / 0:00
Toriteny Alahady 27 Jolay 2025
107 просмотров · 1 год назад
FJKM ANKADIKELY- SPIA 19
563 подписчика
107 просмотров · 1 год назад
"𝗢𝗟𝗢𝗠𝗕𝗢𝗔𝗔𝗡𝗧𝗦𝗢 𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗜𝗡𝗢"
Nitondra hanfatra :
𝗥𝗔𝗩𝗘𝗟𝗢𝗡𝗔𝗡𝗧𝗘𝗡𝗔𝗜𝗡𝗔 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗶𝗮𝗻𝗷𝗮𝗳𝘆-Mpitandrina
Andinin-Tsoratra Masina nangalana ny hafatra :
𝗝𝗲𝗿𝗲𝗺𝗶𝗮 𝟭 : 𝟰 - 𝟭𝟬
Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro, ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an'ny firenena. Ary hoy kosa aho: Indrisy, Jehovah Tompo o! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza. Fa hoy Jehovah tamiko: Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin'izay rehetra hanirahako anao ianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao. Aza matahotra azy ianao; fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah. Dia naninjitra ny tanany Jehovah ka nanendry ny vavako, ary hoy Jehovah tamiko: Indro, efa nataoko ao am-bavanao ny teniko, ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin'ny firenena sy ny fanjakana hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly. — 𝗝𝗲𝗿𝗲𝗺𝗶𝗮 𝟭 : 𝟰 - 𝟭𝟬
Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra!