FIZARANA SAKAFO MASAKA HO AN'IREO MAREFO ARA-PIVELOMANA.
Andry ANDRIAMAHASORO
0:00 / 0:00
FIZARANA SAKAFO MASAKA HO AN'IREO MAREFO ARA-PIVELOMANA.
858 просмотров · 1 месяц назад
Andry ANDRIAMAHASORO
219 подписчиков
858 просмотров · 1 месяц назад
Ho fitsinjovana ireo tena marefo ara-pivelomana tafiditra ao anatin'izany ireo be antitra, tsy manan-kialofana, sembana mirenireny eny rehetra eny dia nanolotra sakafo masaka ho azy ireo ny Ben'ny Tanàna Andry Andriamahasoro tamin'ny alalan'ireo tsara sitrapo nandray an-tanàna sy nanolo-tena handray an-tànana azy ireo mba ho fanohanana sy fitsinjovana ny maha-olombelona.
Marefo miisa 25 ireto nisitraka fampisakafoanana androany ireto ary hitohy isanandro izany araka ny fahafahana izay hiantsoan'ireto mpivady tsara sitrapo nandray an-tànana azy ireo ireto fanampiana sy tolo-tànana avy amin'ireo malala tànana rehetra ka izany indrindra no hanampian'ny Ben'ny Tanàna azy ireo ka antony nahatongavany teny an-toerana mba hanohizana izao hetsika izao satria dia fisantarana sahady ny tetikasa TRAGNAMBO izay fiahiana ny ara-tsosialin'ny mponina izao ary nisafidianana ny toerana ho teny Ampamakiambato izay isan'ny misy ny foto-drafitr'asa TRAGNAMBO izay efa ho 90 isan-jato ny fahavitan'ny asa fanorenana amin'izao fotoana izao.
Taorian'izay dia nijery ihany koa ny fivoaran'ny asa fanarenana ny biraon'ny kaominina eo Ampamakiambato ity Andriamatoa Andry Andriamahasoro Ben'ny Tanànan'ny Kaominina Ambonivohitr'i Fort-Dauphin.