Перейти к содержимому

Mandrese amin'ny anaran'ny Tompo - 9 septambra 2026

Kristy fiainantsika

0:00 / 0:00

Mandrese amin'ny anaran'ny Tompo - 9 septambra 2026

29 просмотров · 11 дн. назад
Kristy fiainantsika
66 подписчиков
29 просмотров · 11 дн. назад
📖 Kristy fiainantsika isan'andro : 1 Samoela 17:45 (MG1865) ---------------------------------------- "... fa izaho kosa manatona anao amin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, .." 👉 Hamaky ny Baiboly / Lire sur internet : https://www.bible.com/bible/96/1SA.17.45.M... 📝 KRISTY FIAINANTSIKA ISAN'ANDRO : "Mandrese amin'ny anaran'ny Tompo" ---------------------------------------- Nanatona hiady tamin'i Goliata Davida kely. Nisy antsamotady sy vato dimy tany aminy. Izy tsy niteny hoe: "Izaho manatona anao amin'ny antsamo-tady sy vato". "Amin'ny anaran'i Jehovah no handreseko anao" hoy izy. Andriamanitra tsy hita maso no niankinany fa tsy ny fitaovam-piandiana hita maso. Vokatr'izany finoana izany, tsy natahotra an'i Goliata mirefy telo metatra sy nitondra fitaovam-piadiana manara-penitra izy. Manahafa ny finoan'i Davida. Nianatra tsara ny fampaisàna ny antsamotady izy, tena hainy izany saingy tsy nitoky tamin'ny fahaizany izy fa nitoky tamin' Andriamanitra. Misy Goliata miady aminao isan' andro te handavo anao. Maka fanahy anao isan'andro ny devoly. Mandrese amin'ny anaran'ny Tompo! Vavaka: Jesoa ô, resenay amin'ny anaranao ny fitaoman-dratsy ataon'ny devoly. Amen! 🎙️ Mpanoratra / Méditation par : Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady ---------------------------------------- 🌍 Araho amin'ireto rohy ireto izahay / Suivez-nous sur : 🔗 Site Web : https://kristyfiainantsika.com 🔵 Facebook : https://www.facebook.com/fiainantsikakristy 🎧 Spotify : https://open.spotify.com/show/033oAmzqAKV6... Misaotra indrindra nitsidika ! ----------------------------------------