Minoa fa efa nandray sahady - 7 septambra 2026
Kristy fiainantsika
0:00 / 0:00
Minoa fa efa nandray sahady - 7 septambra 2026
15 просмотров · 12 дн. назад
Kristy fiainantsika
66 подписчиков
15 просмотров · 12 дн. назад
📖 Kristy fiainantsika isan'andro : Marka 11:24 (MG1865)
----------------------------------------
"... dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany"
👉 Hamaky ny Baiboly / Lire sur internet : https://www.bible.com/bible/96/MRK.11.24.M...
📝 KRISTY FIAINANTSIKA ISAN'ANDRO : "Minoa fa efa nandray sahady"
----------------------------------------
"Izay aho vao mino" hoy ny sasany rehefa mahazo valim-bavaka na sitrana na mahita fahagagana. Finoana marefo na tsi-finoana na mety finoana diso mihitsy izany. Hoy Tomasy rehefa natehiny tamin'ny holatry ny tanan'i Jesoa ny tanany: "Tompo sy Andriamanitro". "Satria nahita Ahy ianao dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita nefa nino" hoy Jesoa (Jaona.20.28-29). Rehefa mivavaka, minoa fa efa nandray dia ho azonao izany, na mbola tsy hita aza. Tahaka ny zaza ampanantenaina fa hitondrana mofo, efa faly sahady izy. Manàna fahatsorana sy fanetre-tena tahaka ny zaza. Misaora mialoha, ataovy hita eo amin'ny teninao sy ny asanao fa efa azonao ny valim-bavaka. Fanomezam-boninahitra Azy izany fahatokiana izany!
Vavaka: Ampianaro manao vavaka araka ny sitraponao izahay, dia hahatoky fa efa novalianao. Amen!
🎙️ Mpanoratra / Méditation par : Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
----------------------------------------
🌍 Araho amin'ireto rohy ireto izahay / Suivez-nous sur :
🔗 Site Web : https://kristyfiainantsika.com
🔵 Facebook : https://www.facebook.com/fiainantsikakristy
🎧 Spotify : https://open.spotify.com/show/033oAmzqAKV6...
Misaotra indrindra nitsidika !
----------------------------------------