Перейти к содержимому

Olona mahatoky ve ianao? - 12 septambra 2026

Kristy fiainantsika

0:00 / 0:00

Olona mahatoky ve ianao? - 12 septambra 2026

33 просмотра · 7 дн. назад
Kristy fiainantsika
66 подписчиков
33 просмотра · 7 дн. назад
📖 Kristy fiainantsika isan'andro : 2 Timoty 2:2 (MG1865) ---------------------------------------- "... dia atolory ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa" 👉 Hamaky ny Baiboly / Lire sur internet : https://www.bible.com/bible/96/2TI.2.2.MG1865 📝 KRISTY FIAINANTSIKA ISAN'ANDRO : "Olona mahatoky ve ianao?" ---------------------------------------- Sitrak' Andriamanitra hamolavola olona mahatoky ny fiangonana. Izay no nanafaran'i Jesoa hoe: "Ataovy mpianatra ny firenena rehetra ... mampianara azy hitandrina izay nandidiako anareo" - Matio 28:18-19. Nataon'i Jesoa tamin'ny mpianany izany dia nahay nampianatra izy ireo. Novolavolan'i Paoly ho olona mahatoky Timoty. Izy indray hampianatra ary izay nampianariny koa hampianatra ny hafa. Mahantra "olona mahatoky" ny firenentsika. Betsaka ihany ny olona mahay saingy tsy azo omena andraikitra satria tsy mahatoky. Ny fampianarana ny hafa raha tiana ho tafavoaka dia ny fahitany anao mpampianatra mahatoky amin'ny zavatra rehetra. Izany no hitan'ny mpianatra tamin'i Jesoa. Tsy ho kristiana be tsy andraofana mameno fiangonana intsony no misy raha izany fa olona mahatoky amin'ny asany manova firenena. Fianarana ho an'ny mino! Vavaka: Jesoa ô! Tefeo izahay mba ho kristiana mahatoky, fianarana ho an'ny mino. Amen! 🎙️ Mpanoratra / Méditation par : Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady ---------------------------------------- 🌍 Araho amin'ireto rohy ireto izahay / Suivez-nous sur : 🔗 Site Web : https://kristyfiainantsika.com 🔵 Facebook : https://www.facebook.com/fiainantsikakristy 🎧 Spotify : https://open.spotify.com/show/033oAmzqAKV6... Misaotra indrindra nitsidika ! ----------------------------------------