𝐑𝐎𝐉𝐎 & 𝐌𝐀𝐌𝐈𝐍𝐀 - 𝐊𝐎𝐅𝐀 𝐓𝐈𝐀 (HIVAZO SAMOËLA 2020)
Samoela
0:00 / 0:00
𝐑𝐎𝐉𝐎 & 𝐌𝐀𝐌𝐈𝐍𝐀 - 𝐊𝐎𝐅𝐀 𝐓𝐈𝐀 (HIVAZO SAMOËLA 2020)
89 647 просмотров · 2 года назад
Samoela
25,1 тыс. подписчиков
89 647 просмотров · 2 года назад
KÔFA TIA
Isan’ora, isa-minitra aho
Mba mandinika ny fanaon’ny olona
De nahatsapa fa :
Izay miara-droa de mifanankim-po
Efa hita tamin’ny TV sy vidéo
Gazety sy radio
Fa ity fiainana ity
Tsy milay raha tsy misy fitia
‘Zany vady ‘zany !
Na aiza na aiza eto ambonin’ny tany !
Fitiavana no dikan’izany! Hasambarana !
Tsiky sy tambitamby
Hafaliana sy sangisangy
Ny roa no tsy mba toy izany
Fa soamaravo teny ihany !
Isan’andininy :
Satria ny revinao dia ny mifamaly
Ary isan’andro aho no miaritra izany
Mba miezaka aho ny manihany
Fa ianao misafoaka hatrany
Mandinika ny tokony atao aho
Sao mba lerany izao
Tsy aleo ve re asiana an’izany sao ho antotra eto ihany
Lazainao fa tianao aho ! Tia ahy ianao !
‘Lay zaho mitomany no tianao sa ‘lay zaho mitalaho ???
Marina fa tena tia anao aho ! Tia ano aho !
Nefa rehefa misy an’izany !
De mba voatsindrona ihany
Marina fa tena tia anao aho ! tia anao aho !
Nefa rehefa misy an’izany !
Mahatsiaro voadona ihany
Izay no nahatonga ahy saika hilako an-dry !
Satria ianao toa tsy mamaly fitia
Raha toa tsy kôpy aho angamba dia tany
Soa ihany tsy izany !
Soa ihany aho fa dôzy !
Tonony sy feony : Samoëla RASOLOFONIAINA
Raki-peo : BANDY AKAMA ( DO SOL 2004 )